1 Ary taminny andro fahatelo ambinny folo taminny volana faharoa ambinny folo(volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny teninny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenainny fahavalonny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy), 

2 dia nivory tany an-tannany avy ny Jiosy, tany aminny isan-tokony eranny fanjakani Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; Ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.

3 Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony taminny fanjakana sy ny solo-mpanjakana sy ny governora mbaminny mapanao raharahanny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azonny fahatahorana ani Mordekay izy.

4 Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranonny mpanjaka, Ary ny lazany niely tany aminny isan-tokony eranny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.

5 Ary nasianny Jiosy ny fahavalonny rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny Ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony taminizay nankahala azy izy.

6 Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;

7 Ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata

8 sy Porata sy Adalia sy Aridata

9 sy Parmasta sy Ariasay sy Ariday Ary Vaizata,

10 izy folo lahy, zanaki Hamana, zanaki Hamedota, fahavalonny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

11 Androtrizay ihany dia nambara taminny mpanjaka ny isanny voavono tany Sosana renivohitra.

12 Ary hoy ny mpanjaka tamini Estera, vadinny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbaminizy folo lahy, zanaki Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony taminny isan-tokony eranny fanjakanny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao ? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao ? fa homena izany.

13 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sosana havela hanao toy ny natao andro-any ihany koa rahampitso, Ary koa hahantona aminny hazo koa izy folo lahy, zanaki Hamana.

14 Dia nasainny mpanjaka natao izany; Ary natsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanaki Hamana.

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana taminny andro fahefatra ambinny folo taminny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

16 Ary ny Jiosy sasany isan-tokony taminny fanjakanny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka taminny fahavalony izy, Ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy).

17 taminny andro fahatelo ambinny folo taminny volana Adara; Ary nitsahatra izy taminny andro fahefatra ambinny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.

18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kos nivory taminny andro fahatelo ambinny folo taminio ihany sy taminny andro fahefatra ambinny folo koa; Ary nitsahatra taminny andro fahadimy ambinny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.

19 Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra taminny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambinny folo aminny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly Ary fifanateran-javatra. Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy fahalehibiazani Mordekay.

20 Ary Mordekay nanoratra ny aminizany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any aminny Jiosy rehetra izay tany aminny isan-tokony eranny fanjakani Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra, 

21 mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambinny folo sy ny fahadimy ambinny folo aminny volana Adara isan-taona,

22 dia araka ny andro nahafahanny Jiosy taminny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana Ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra Ary fanomezan-javatra ho anny mahantra izany.

23 Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratani Mordekay taminy,

24 satria Hamana, zanaki Hamedota Agagita, fahavalonny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;

25 fa raha nankeo anatrehanny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo aminny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasaini Hamana hatao aminny Jiosy, Ary mba hahantona aminny hazo izy sy ny zananilahy.

26 Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra taminizany taratasy izany sy izay hitany ny aminizany zavatra efa nanjo azy izany.

27 dia nanao lalna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky izy sy ny taranany Ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;

28 Ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo aminny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eranny fanjakana rehetra sy aminny isan-tanna; Ary mba tsy ho tapaka aminny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany aminny taranany.

29 Ary Estera, vadinny mpanjaka, sady zanakavavini Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra taminny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.

30 Ary nampitondra taratasy ho any aminny Jiosy rehetra izy, dia ho any aminny toko fito amby roa-polo amby zato aminny fanjakani Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,

31 mba hampitandrina azy ireo andro Porima ireo aminny fotoany, araka izay nandidiani Mordekay Jiosy sy Estera, vadinny mpanjaka, azy sy araka izay efa nekeny ho anny tenany sy ny taranany koa ny aminny fifadian-kanina sy ny fitarainany.

32 Ary ny tenini Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; Ary voasoratra tao aminny boky izany.
